4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izy - Rija Ramanantoanina

Lasa  fomba fanaony ny mitan-takolaka

Dia nandefa ny sainy hamaky ny aizina

Te-hiangavy ny kintana hindrana volana

Mba hitondra ny fony, hitondra azy handeha.



Izy niangavy kintana hivatsy izay zakany

Izy niantso ny volana hibata ny vatany

Izy maniry handeha, fa tsy afaka mandeha

Ranomaso no setrin’ireo faniriany.



Lasa fomban’ny olona fomba isan’andro

Ny manao azy ho solom-pamataran’andro

Rehefa injay misitrika ny masoandro

D’efa iny izy eo an-tokonana eo.

Ny fiainany indray misitery tsy fantatra

Tsy mba misy ny iray an-tanàna ka namany;

Izy toa tsisy feo, eo an-tokonana eo

Ranomaso no lasa fanampin’anarany.



Fa izy ‘lay nilaozan’ilay tiany izay nandeha fa leo

F’efa leon’ny fiainana niainany,

Mangatsiaka toa fanala “raha oharina “

Fa izy ! lay nolavin’ny rehetra hiaraka aminy

‘lay nandà koa ny tontolo mba ho namany

izy te handeha mialoha fa :

tia hangina hatreo !

Partager izy

Commenter izy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite